Maneno mampitandrina ny teny

Publié le par REM

 

Maneno mapintandrina ny teny

 

Tsilavina Ralaindimby

 

Mahavariana ny lanjan’ny litera anatin’ny teny. Raha vao miova na mifamadika ny litera iray dia miova tanteraka ny hevitry ny teny.  Ny laza lasa lazo, mankaleo. Ny tody lasa tady, mamatotra. Ny vava lasa vovo, mandevina… Misy teny efatra ireto : manongana, manangana, maningana, manangona. Litera iray hatrany no misolo dia hafa tanteraka ny dikany. Eo amin’ny roa voalohany aza dia mifanohitra tanteraka mihintsy ! Vao mainka mahavarina ireo teny ireo rehefa hiitarafana ny zava – misy eo amin’ny fiainam-pirenena hatrizay sy ankehitriny.

 

Manongana : impiry no mba nisy fifandimbiasam-pahefana faratampony tsy nisy rahoraho teto amintsika nandritra izay dimam-polo taona nahaleovan’ i Madagasikara tena izay ? Ankoatr’izay dia ny fanonganam-panjakana no fahazarana, nanjary lasa kolontsain’ny mpanao politika, kolontsain’ny mpiaramonina. Ny ankizy any an-tsekoly aza izao efa mahay “mifanongana” ka tsy manaja intsony ny mpampianatra izay voatondro ho niandany tamin’ny naongana. Mahavariana koa ny mahita fa rehefa hoe hanongana dia mora entanina ka mirohotra tsy misy toa izany ny vahoaka. Na hanongana ny nahazo toerana, na hanongana izay vao avy nanongana. Inona no mety antony ? Be loatra ny alahelo niangona ?

 

Manangana : ny manongana tsy vita mora, fa ny manangana dia zava tsarotra. Satria be ny zavatra simba. Tsy ny zavatra ihany fa matetika simba niaraka amin’izany ny soatoavina izay nandrafitra sy nandamina ny fiainan’ny mpiara-monina, potika ihany koa ny fifampatokisana izay fototra ioeran’ny fiharian-karena eo amintsika samy isika, eo amintsika sy ny maneran-tany. Aman-taona indrindraindray vao tafaverina amin’ny laoniny izany. Rehefa tonga eo amin’ny fananganana koa dia lefilefy ilay fientanana be nampiray  tamin’ny fanonganana.  Inona no mety antony ? Samy manana ny tiany atsangana, ny tiany angonina : namana, fahefana, voninahitra, vola. Manomboka eo tsy maintsy misy ny maningana.

 

Maningana : Mbola raiki-tapisaka amintsika malagasy ilay hoe “marimaritra iraisana” hany ka sahirana izay maningana. Dia izay no isian’ny fiteny toa ny hoe volo manoha randrana, mitsivalampandry, manoha riana…  Dia tonga amin’ny fanaovana ankilabao ireny, dia manjary misy anjorom-bala. Miova ny tany tompoko. Andron’ny fahalalahana maneho sy mampiady hevitra tsy mitovy izao. Ilaina ny fisian’izany satria miteraka haren-tsaina. Tsy ampy intsony ny marimaritra iraisana fa manjary marimaritra mampiesona. Ampiadiana ny hevitra mba hilaminan’ny olona. Saingy izao : aleo halalaka ny sehatra ho an’izany hatrany amin’ny Antenimiera. Anarana mendrika ho toavina izany hoe Antenimiera izany. Aoka izay ny antenimoana, ny fisoloana ny vavambahoaka mihinana fotsiny fa tsy mba ny vavambahoaka mimenomenona toa lohatapaka noho ny fahoriana.  Rehefa tsy miaina ny Antenimiera dia tsy maintsy raikitra ny Andalamanongana. Aoka kosa anefa ny maningana tsy hifofotra hamingana, fa hianatra manangana. Dia manangona ny mpomba.

 

Manangona : ho menatra isika raha angonina ka atoby isan-tokonam-baravarana ny fahadisoana sy ny fahotana vita tamin’ny Tanindrazana, tamin’ny anaran’ny fahafahana, ny fandrosoana, ny fahamarinana, ny fahamasinana, sns. Mety ho avotra koa anefa isika raha mahavita manangona, mitsinjara sy mampihatra ireo torolalana rehetra azo notovozina tamin’izay dimam-polo taona nahaleovantena izay. Hanomana ny Repoblika faha efatra hono isika izao. Rehefa tsy hain’izay mitondra eo ankehitriny  sy rahampitso ny manangana, ny mihaino tsara izay maningana fa tsy manambany na manilika, dia hitombo isa indray ny maningana ka hitangorona hanongana.

 

Tsy haiko izay ho avy, fa ny fantatro dia izao : ho an’izay mahay mihaino, maneno mampitandrina ny teny.

 

Tsilavina Ralaindimby

3 avril 2009

Publié dans Réalités

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
F
<br /> Mankasitraka be ilay lahatsoratra fa tena mahaliana tanteraka<br /> <br /> <br />
Répondre