"Foko" - Foin'i Zanahary ho Nosy isika.

Publié le par REM

Refondersmall.jpg"Foko" - Foin'i Zanahary ho Nosy isika.
Mpanoratra : Daniel Raremby

Tsy mahamenatra ny lasa, tsy atao hahakivy ny hoavy.

Ny teny "foko" dia mila famaritana mazava fa mahavery sy mampisangondina.

Ny Merina na ny Sakalava ohatra lazaina fa foko, kanefa ny Merina dia nilazàna ny mponina izay teo amin'ny faritra ambony sy afovoan'ny nosy manodidina an'Antananarivo, raha tsotsorina. Ny Sakalava dia ilay fanjakàna izay naorin'ny fianakavian'Andriana Maroserana niala tany Bengy, faritra Mahafaly.

Na ny Merina na ny Sakalava dia nahitàna olona maro samihafa fa nampiraisin'ny fomba amam-panao politika, ara-pinoana, riba, fitafy sy randram-bolo, sns...

Raha ny mba kely nianarako taloha dia ny vondron'olona manaiky ho taranaka-Razambe iray no atao hoe "foko". Izany hoe misy rà sy tetiarana iombonana.

Ny Andriana Merina na Sakalava ohatra dia namory foko maro teo ambany fiadidiany ho lasa fanjakàna.

Taty aorina ny fanjakàna Merina teo ambany fitarihan'i Andrianampoinimerina sy ireo nandimby azy dia niezaka namory ireo fanjakàna maro teto amin'ny nosy, ka lasa hoe "fanjakàn'i Madagasikara" no niantsoana azy. Ny fanjanahantany dia nanapotika ny fizoran'ny làlan'ny Malagasy mankany amin'ny fanjakàna tokana satria nopepoina ho foko 18 ireo faritra izay efa niantomboka ny fampiraisana azy.

Raha ampitahaina amin'ny United Kingdom of Great Britain dia azo eritreretina ho foko ve ny English sy ny Scottish izay fanjakàna roa samihafa fa fehezin'Andriamanjaka tokana? (Acts of Union, 1707). Ny politika "zarazarao hanjakàna" izay efa nampiharin'i Galliéni tany Indochine no nentina teto hampitsitokotokoana sy hampirafesana ny Malagasy.

Ireo lazaina fa "foko 18" dia farasisa navelan'ny fanjanahantany ka tokony ezahina resen-dahatra ny olona fa tsy ho tanteraka ny firaisam-pirenena raha toa ka tsy afaka miala amin'ny masotsivan'ny fihaviana ny isam-baton'olona indrindra fa isika avara-pianarana.

Mbola betsaka ny zavatra mila potsirina, ny marina mila fantarina amin'ity resaka "foko" ity.

Ny fampiasàna ny teny "foko" dia fihemorana (régression) ara-tsaina.


Ny Betsimisaraka, ny Betsileo, ny Antanosy, ny Sakalava, ny Merina, sns, dia tsy "foko" izany intsony nanomboka tany amin'ny taonjato 17, 18 fa fanjakàna (royaume) izay nanana ny fiandrianany teo amin'ireo foko nofeheziny.

Ny fampijoroana ny Royaume de Madagascar tamin'ny andron'Ilehidama, izay nahazo ny "reconnaissance internationale" tamin'ny Anglisy dia porofo fa efa nisy ny ezaka fampivondronana ny fanjakàna maro izay mifanafika.

Tsy hitsara ny tantara izaho ary tsy minia mikimpy amin'ny vono olona mahatsiravina nataon'ny miaramilan-dRadama sy Ranavalona I tamin'ny ady nataony tany amin'ny faritany.

Tantara ireny, tsy azo fafàna, tsy azo kosehina, tsy azo atao antony hifankahalàna, hanozonana ny Merina mandraikizay doria amena.... Samy nanao politikan'ady sy fandrobàna (razzias) avy ny fanjakàna nisy teo amin'ny nosy :
- ny Betsimisaraka mandeha manafika amin'ny alalan'ny lakambe tany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Afrika
- ny Bara sy ny Sakalava manafika ny faritra andrefan'Imerina sy Betsileo
- Ny Antefasy sy ny Zafisoro miady toerana tao atsimo atsinanana
- sns, sns...

Tsy adim-poko no nisy tamin'izany fa adi-na-fanjakàna baikoin'ny tombotsoa ara-toekarena hanamafisana ny fitondrany : fakàna an-keriny ny vokatry ny tany, omby, olona, aondrana mankany ivelany, ahazoana toaka (arack na rhum, whisky), basy, lamba, kojakoja maro isan-karazany.

Ny fijoroan'ny fanjakan'i Madagasikara tao Antananarivo dia tsy nanafoana ny hasin'ireo Andriana nitondra talohan'ny fandresen'ny tafika Merina azy ireo. Lasa Havan'Andriana ireo Ampanjaka, Tangalamena, Haova, Lonaky, ka lasa masoivohon'ny Mpanjakan'i Madagasikara.

Ny nahatonga ny mpananibohitra frantsay hilaza fa "tribus" no misy dia tetikady entina hanamarinana fa mbola olon-dia ny malagasy, mpiady an-trano, zaza saina ka mendrika havotana sy harenina amin'ny alalan'ny fanjanahana azy.

Nofafàna toy ny tsy misy ny fanjakàna Merina nampiray ny androan-tokon'ny nosy teo ambany fahefany.

Nanana ny fahalemeny ny fanjakàna Merina : ny fifandrafian'ny Andriana sy Hova teo amin'ny ady ara-pihariana sy ara-politka, ny fahalovana nikiky ny fitondran'ny Prime Minister Rainilaiarivony izay efa ela nitondràna loatra ary mampifangaro ny tombontsoan'ny fianakaviany sy ny fanjakàna, ny vesatry ny hetra entina miatrika ny ady amin'ny Frantsay, ny tsy faneken'ny ankamaroan'ny mponina fehezina ny fivavahana kristianina izay lasa fivavaham-panjakàna, ny tsy fanafoanana ny fanandevozana.

Ny lesoka teo amin'io fitondram-panjakàna io dia tsy manamarina ny fanjanahantany sy ny fandrangintana ny alahelo sy ny lolom-po teo amin'ny mponin'ny fanjakàna resy.

Politikan'ny voanjo nentina hamotehana ny firenena Malagasy izany.

Tantara ireny. Aoka ny lasa homba ny lasa ary tokony ihoarana amin'izay ny resaka "foko" fa mampihemotra ara-tsaina ary lasa marefo ny firenena eo anatrehan'ny tendan-kanina te hitelina azy.

Trafon-kena ome-mahery iny, am-bava homana am-po mierotra...

Daniel Raremby

Publié dans Histoire

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
F

Misaotra namelabelatra Daniel a,tena marina fa isan'ny tena mapisaraka ity resaka foko ity !


Répondre