Firenena toy inona ?

Publié le par REM

FIRENENA TOA INONA ?

par Tsilavina RALAINDIMBY

 

Sarotra amin’ny olon-tsotra ny hino fa tena misy fitiavana ny  Tanindrazana tokoa amin’ny fitondran-tena sy fihetsiky ny manam-pahefana samihafa hatramin’ izao. Ny manam-pahefana izany tsy midika hoe ny mpitondra fanjakana irery. Ny mpanohitra ny fanjakana nanendry  tena hitondra ankehitriny dia manam-pahefana koa fa ny karazany sy ny fetrany no tsy mitovy. Ny andiany politika samihafa mbola mihainohaino amin’izao fotoana dia manana ary hita taratra fa mampiasa ny fahefany koa any ambadika any. Ny firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena samihafa mifandray amintsika dia manam-pahefana koa ary hiaraha mahalala ny herin’izany fahefana izany eo amin’ny firenena toa an’i Madagasikara izay, hatramin’izao, mbola miankin-doha be amin’ny vola tsy an’ny tena akory mba ampihodinana ny raharaham-panjakana. Marefo tanteraka, mba tsy ilazàna hoe resabe, ilay hoe fiandrianam-pirenena raha ny ara- toekarena sy vola no resahina.


Samihafa ny fahefana any am-pelatanan’ireo andian-kery politika ireo fa zavatra roa no itoviany. Volaohany, mbola voafetra eo amin’ny fanakanana fotsiny ireo hery ireo. Faharoa, tsy mahavita mampifanantona ny hevitra mba hiteraka fananganana marim-pototra ireo hery ireo hatramin’izao.  Ny fahefan’ny hery politika mitondra ny fanjakana ankehitriny dia voefatra satria ny ranomasina tokoa no valamparihiny : tsy misy manaiky ny itenenany amin’ny anaran’i Madagasikara ny fandaminana iraisam-pirenena.   Ny fahefan’ny hery politika manohitra indray dia voafetra satria ny fotokevitry ny firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena izay tsy mankato ny fitondrana misy izao no tena andry iankianany, na dia eo aza ny mpomba azy  ato anatiny. Ny hery politika hafa izao dia mbola mijery fanorona, mibitsika paipaika, no sady mitily ny laka ho azy ihany koa. Ireo firenena vahiny sy fikambanana samihafa koa voafetra ny fahefany, ary ekeny izany, satria tsy izy no handeha hanapaka izay ho avin’ny fitondrana an’i Madagasikara. Voafetra ny fahefany, saingy izao : anatin’izay fahefana voafetra izay ny fanalahidy ara-bola izay ilaina na dia ampihodinana ny fitondrana eto amintsika fotsiny aza. Loza anie izany e ! Kanefa dia izay no marina ary tsy tokony afenina ny olona. Raha  tsy azo izany fanalahidy izany dia mikoroso fahana eo izay fanjakana mijoro eo, na iza na iza maimay hitondra eo. Ny raharaham-pirenena tsy tranom-pody ka ho vitan’ny vava.


Tsy ekena tokoa ny fitsabatabahan’ny firenen-kafa, na iza na iza, amin’ny raharahan-tokantranon’ny malagasy. Tsy maintsy avahana kosa anefa ny tena raharahan-tokantrano sy ny teny ierana nifanarahana tamin’ny firenena sy fikambanana iraisam-pirenena samihafa izay tsy maintsy hajaina. Na mahamenatra aza ny fiankinan-doha dia izay aloha no mbola famaharan’ny aim-pirenena sy ny andavan’andron’ny sarababem-bahoaka ankehitriny. Ny fiverenan’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny mpiray antoka ara-tekinika sy ara-bola izany no azo heverina ho laharam-pahamehana izao. Izay fifandeferana sy teny ierana matotra ahatongavana amin’izany no tokony jerena aloha, raha tia Tanindrazana sy mitsimbina ny mponina tokoa. Avy eo dia ho hita eo hoe iza no hery politika manana paika mazava mba ampihenana miandalana ny fiankinan-dohan’i Madagasikara be loatra amin’ny any ivelany, ka ampitombo ny fiandrianany ara- toekarena sy vola, tsy ampifilafilan’ny olona antsika lava izao. Izany dia midika hoe vitan’io hery politika, tsy mbola fantatra hatreto  io ny mampifoha, manome toky, mandrindra sy mampivelatra ny angovom-pamoronana sy fihariana navela handamoka hatrizay tao anivon’ny hery velona malagasy manerana ny Nosy. Raharaha be izany ary mitaky fanavaozana kolontsaina. Ny lehibe indrindra amin’ireo votanisa ireo dia ny famerenana ilay fifampatokisana satria efa tena maimbo rezatra sy nanehitra tamin’ny kabary tsara lahatra sy ny ronono an-tavy ny olona, efa vizana sy antitra am-pitsanganana tamin’ny fifamitahan’izy samy izy ny antsoina hoe mpanao politika malagasy ka toa izay ahazoana avarapatana hatrany sisa no, sanatria, mody laroina fotokevitra.  Rehefa tsy maintsy handroso amin’ny fifandeferana ihany ianareo, aza ampitondraina ny mafy ela loatra eo am-piandrasana ny fikenokenonareo re ny  olona, azafady e. Ary aza adino fa ny olona no manana ny fahefana ara-tantara hanendry sy hanasina izay hitondra indray avy eo. Ataovy ny teny ierana, farito ny manda hiarovana azy amin’ny totakely politika tranainy sy vaovao. Samy manana ny fahefana hanakanan-javatra ianareo kanefa: misy fetrany izany ary mety hifototra aminareo. Tadiavo azafady ny lalana ahazoanareo manangana. Tsy maintsy mifandefitra, mifampatoky ary mifameno, izay vao mahafaritra velaran’elanelam-panahy azo hanorenana fahefana manangan-javatra. Firenena toa inona no ho voantsangan’olom-pirenena – na samy mpitondra na mpitondra sy entina, na samy entina – tsy mifampatoky ? 

Tsilavina Ralaindimby

Publié dans Réalités

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article