Faran'ny ady Fihavanana

Publié le par REM

Faran’ny ady, Fihavanana
(MAMALAN-KIRA INDRAY VANF)

Hita mazava tsara amin’ny sary fa mbola nisatroka nanao ilay béret lasa famantarana azy Manandafy tamin’ny fisamborana azy teo amin’ny Carlton. Rehefa hakarina ho anaty fiara izy dia tsy nisatroka intsony. Ireo namany nosamborina moa dia nalana akanjo tsotra izao. Finiavana hanambany ny voninahitra maha-olona izany. Miparitaka eran’izao tontolo izao ny sary, mampalahelo, mahamenatra, manala baraka.
Tahaka izany koa, rehefa nosamborina ireo Solombavambahoaka sy Loholona TIM dia nampiambozonana ny sarin-dRavalomanana. Nalahatra toy ireny dahalo mpangalatra omby ireny. Finiavana hanambany. Mbola tahaka izany ihany ny nandraisana tamin’ny vozon’akanjo ny Pastora Lala Rasendrahasina tetsy Antanimena. Navela ho voadakan’ilay vehivavy vao natosika tamin’ny hatony hiditra ny fiara. Mpitondra fiangonana iny fa tsy mpamaky trano na mpanendaka na mpamono olona. Finiavana hanosihosy, hametaveta, hamotsifotsy.

Fomba miaramila taiza no nahazoan’ireto “Capsat” ireto izao fihetsika manala baraka tanteraka ny Tafika malagasy izao ? Ireto Kolonely marobe nanilika ny Jeneraly ireto ve mampanao ny commandant Charles Randrianasoavina izao sa dia efa samy mandeha samy mitady ny miaramila ? Mbola misy Fanjakana sy fahefana sivily mitana ny fahendrena sy ny Fihavanana ve ?

Aiza ianareo no tsy mba andrenesam-peo manameloka izao hetraketraka izao, ry Jeneraly Ramakavelo, ry Arseveka Razanakolona ? Aiza ianareo no sanatria hiray tsikombakomba amin’ny nanaovan’ny sasany an’i Manandafy, ry Nobert Ratsirahonana, ry Richard Andriamanjato ? Meloka inona moa Manandafy ? Meloka manao ny politika araka izay fomba efa hita ny maharatsy azy hatramin’ny 1972 ? Meloka nitaiza ny taranaka fara aman-dimby, ary isan’izany izao HAT teraka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey izao, amin’ny fanonganam-panjakana an-dalambe ? Raha ireo no heloka hiampangana azy dia isan’ny Fampanoavana aho. Saingy tsy izany no nanamborana azy fa adilahy politika fotsiny.

Politika tsy tokony nisangiana ratsy ny Tafika. Politika tsy tokony nampiadiana an-trano ny miaramila. Politika tsy tokony nataon’ny sivily kitoatoa. Efa ho efa-bolana izao no nanantitranterana fa ny fifampiresahana no hany hampihavana indray. Saingy maro moa ny mpamosavy malemy, tsy vitsy koa ny rano tapany mikobana, ka itsy manoro vohana ity. Nilana ny fitsabahan’ny “Groupe de contact” tany Addis-Abeba, mampihahaka ny raharahan-tokantrano malagasy imason’izao tontolo izao, ve ny firosoana amin’ny dinika ?

Mitovy taona amin’ny raiko Manandafy. Manontany tena aho raha hamporisika ihany ny zanako lahy hanao ACMIL (Académie Militaire), rehefa afaka dimy ambin’ny folo taona. Tsy izao mantsy ny Tafika taratro amin’ny tantaran’ny Afrikakorps notarihin-dRommel, ny Paras tany Crête na tany Monte-Cassino, na ny Légion étrangère tany Camerone ny andron’ny 30 aprily 1863. Manamboninahitra tsara taiza, ampy fahalalana, manaja ny fomba, manaraka ny fitsipika, mankato ny rafitra, izany no noheveriko hatrany fa taizan’ny Saint-Cyr, na Wespoint, na ny ACMIL Antsirabe. Sanatria raha hampianatra ny zanako aho indray andro any, fa ny miaramila gasy dia izany “Capsat” izany : adjudant no mibaiko Jeneraly.

Na inona na inona tsy fitoviana hevitra, ny politika tsy tokony hiafara amin’ny fikasihan-tanana. Na inona na inona fahasarotana ara-politika, tsy tokony hiteny ny basy raha tsy maito ny dinika. Faran’ny omby, hena ; faran’ny rano, Ikopa ; faran’ny teny, ifanatrehana. Faran’ny ady hevitra, Fihavanana.  

Publié dans Réalités

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article